3ème Forum National Urbain : hotontosaina ny faha-07, 08 , 09 oktobra

0

Hotontosaina ny faha-7, 8 , 9 ny volana oktobra izao ao amin’ny village Voara Andohatapenaka ny 3eme Forum National Urbain, izay hiresahana ny tontolon’ny fampivoarana ny tanan-dehibe. Mpisehatra maherin’ny 750 no handray anjara amin’izany. Hisy aorian’ny fikaonan-doha lehibe ity ny fanapahan-kevitra sy fepetra horaisina momba ny fanatsarana ny tanan-dehibe.