Trano may 67 ha IVO – 67 Ha : trano ampolony no may kilan’ny afo.

0

Trano am-polony no may teny amin’ny IVO 67 Ha ny ataondro teo. Trano hazo iray no niandohan’ny afo raha ny fanazavan’ny mponina ka nahatonga fianakaviana maro ho may fananana sy traboina. Nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny fahalaviran’ny rano na dia tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina.