“Abrisbus” eto Antananarivo Renivohitra : ampiasaina tsy amin’ny asany

0

Tsy ampiasaina amin’ny antony nanaovana azy ny “abrisbus” eto Antananarivo. Zary lasa fipetrapetrahan’ny olona amin’ny tsy antony sy fivarotana entam-barotra maro samy hafa izany. Hany ka miteraka olana amin’ny fifamoivozana ny tsy fijanonan’ny fiara mpitatitra manoloana azy ireny.