Academie des partis politiques : miisa 32 ireo tanora amin’ny andiany faha-3.

0

Misy 32 ireo tanora avy amin’ny antoko Politika miisa 18 mandrafitra ny andiany faha-3 amin’ny ADP na ny Academie des Partis Politiques, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany. Hiompana bebe kokoa amin’ny Demokrasia ny fampiofanana homena azy ireo. Ny demokrasia izay mbola manjavozavo eto amintsika na dia voasoratra ao anaty lalam-panorenana aza.