Advance Cargo Declaration : miantona hatrany ny fampiharana izany

0

Miantona ny fampiharana ny ACD Advanced Cargo Declaration. Raha ny fanazavana azo teny anivon’ny APMF , hatreto aloha, fitakiana iraisam-pirenena  ary isan’ireo paikady entina hanarenana ny sehatry ny fanaraha-mason’ny entana miditra amin’ny alalan’ny sambo izany. Fanazavana izay notsipahan’ny masoivoho amerikana. Mitsipaka ny fametrahana io rafitra io ihany koa  ny mpandraharaha tsy miankina saingy milaza ny tsy hanambara ny heviny aloha hatreto izy ireo.