Ady amin’ny Kere : mila hafainganina ny tetikasa famatsian-drano

0

Ho sarotra ny hamahana ny olan’ny mponina tratry ny kere any Atsimo raha tsy miverina amin’ny laoniny ny rotsak’orana hoy ny solombavambahoakan’i Tsihombe. Vahaolana vonjimaika ihany arak’izany hatreto ny entin’ny fitondram-panjakana raha toa ka tsy voavaha ny olan’ny famatsian-drano. Fianakaviana maro no efa manomboka mitsao-ponenana any an-toerana manoloana izay.