Air Madagascar : Hiala ny tale jeneraly

0

Hiala tsy hitantana ny kaompania Air Madagascar intsony ny tale jeneraliny raha ny fampitam-baovao avy amin’ny tranonkala milaza ny vaovao avy any ivelany ny zoma teo. Ny faha 15 ny volana Janoary teo no tokony nandray ny asany vaovao any ivelany amin’ny kaompania InselAir International sy Inselair Aruba io tale jeneraly io. Tsy mbola nitondra fanazavana mikasika ity raharaha ity ny tenany hatreto.