AKSAF Power Ambohimanambola : 80 tapitrisa dolara no nampiasaina.

0

Notokanana omaly maraina ny milina lehibe miisa 11 mandeha amin’ny solika mavesatra an’ny orinasa AKSAF Power Ambohimanambola, izay hamatsy herinaratra ny orinasa Jirama. Fotodrafitrasa izay nandaniana vola mitentina 80 tapitrisa dolara araka ny nambaran’ny talen’ny Aksaf Power.