Ambohibao Antehiroka : 04 mianaka no maty vokatry ny fihotsahan’ny tany

0

Olona 4 mianaka no maty noho fihotsahan’ny tany teny Ambohibao Antehiroka  ny Alarobia 05 janoary, tokony tamin’ny 9 ora alina, nandritry ny rotsak’orana naharitra.  5 mianaka izy ireo no niharan’ny loza, saingy avotra soa aman-tsara ny 1 tamin’izy ireo. Nananosarotra ny fitadiavana ny razana noho ny haizina.