AMMM ho mpanohitra ofisialy

Tokony hivoaka mialohan’ny 20 janoary ny fanapahan-kevitry ny HCC

0

Nanao antso avo ho an’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Hajo Andrianainarivelo, ny hamoaka mialohan’ny zoma faha 20 ny volana janoary 2017 ny fanapahan-keviny hampijoro ny antoko Malagasy Miara-Miainga ho mpanohitra ofisialy eto amin’ny tany sy ny firenena. Amin’io zoma faha 20 ny volana janoary io no tsy maintsy tanterahina ny ady hevitra demokratika eo amin’ny mpanohitra sy ny praiminisitra araka ny lalàna laharana 2011-013 momba ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.