Andry RAJOELINA : nanolotra fanampiana sy fitaovana ho an’ny CHU Tanambao I

0

Nanolotra fanampiana sy fitaovana ho an’ny CHU Tanambao I ao Antsiranana ihany koa ny filoham-pirenena sy ny vadiny taorian’ny tao Mahajanga sy Nosy Be. Tsy maintsy ho resintiksa ny Valan’aretina hoy ny filoha ka irariana tsy hisy intsony ireo mamoy ny ainy vokatr’izany. Ankoatra izay, nomena indemnité sy Prime de risque ihany koa ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo mararin’ny Coronavirus.