Accueil Société Ankadifotsy : 5 tamin’ireo razana tototry ny tany no efa hita

Ankadifotsy : 5 tamin’ireo razana tototry ny tany no efa hita

0
Ankadifotsy : 5 tamin’ireo razana tototry ny tany no efa hita

8 ny fantatra fa tototry ny tany nandritra ny fiotsahana Parking iray tetsy Ankadifotsy androany maraina. Hatramin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tamin’ny 2 ora atoandro, 5 ny razana voasikotry ny sampana mpamonjy voina. Mitohy arak’izany ny fikarohana ny ambiny, izay anaty fahasarotana tanteraka noho ny fahavesaran’ny ranotany sy ny vato nianjera tamin’ireo trano tra-doza.