Ankadindratombo : hamokatra 100 metatra tora-3 isan’ora ny tobim-pamatsian-drano vaovao

0

Manoloana ny olan’ny famatsian-drano izay mampitaraina ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina, nidina nijery ifotony ny fizotry ny asa fametrahana ny tobim-pamatsian-drano vaovao etsy Ankadindratombo ny minisitra tomponandraikitra androany. Tombanana hamatsy rano ny kaominina Alasora manontolo ny fotodrafitrasa izay hamokatra rano manodidina ny 100 metatra tora-3 isan’ora.