Accueil Faits divers Ankirihiry – Toamasina : trano 06 kilan’ny afo noho ny tsy fitandremana

Ankirihiry – Toamasina : trano 06 kilan’ny afo noho ny tsy fitandremana

0
Ankirihiry – Toamasina : trano 06 kilan’ny afo noho ny tsy fitandremana

Trano 06 no indray kilan’ny afo ny maraina tao Ankirihiry Toamasina. Firehetana niainga tamina trano fivarotana menaka fiara no niandohan’ny afo ka niitatra tamin’ireo trano 05 hafa manakaiky azy. Ny fisian’ny « huile vidange » izay nipoaka avy ao anaty daba fitahirizana no nampanano sarotra ny famonoana ny afo izay tsy voafehy raha tsy ora iray taty aoriana.