Antenimierampirenena – fivoriana ara-potoana faharoa : hanomboka ny 16 oktobra izao

0

Tsy tokony ho sakana ho an’ireo solombavambahoaka amin’ny famonjena ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra ankehitriny raha ny nambaran’ny solombavambahoaka nanaovana fanadihadiana. Ankilany, sakana avy amin’ny governemanta teo aloha raha ny fanazavana azo ny tsy nandinihana sy nandaniana ny lalàna mifehy ny famotsiambola sy ny fananana azo tamin’ny tsy rariny.