Antenimierampirenena : hifarana rahampitso misasakalina ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka

0

Rahampitso 05 Febroary 2019 no tapitra ny fepotoam-piasan’ireo solombavambahoaka. Efa tanteraka ihany koa ny andininy faha 104 ao amin’ny làlampanorenana, ny amin’ny famindrana ny fahefana amin’ny filohan’ny repoblika hanao lalàna mandritra ny fotoana voafetra sy mikasika toe-javatra voafaritra. Teboka maromaro no ilaina fanitsiana ho amin’ny fepotoam-piasana manaraka eo anivon’ity andrimpanjakana ity raha ny fanazavana.