Antenimierampirenena : nandresy ny herin’ny vola

0

Nanaovan’ireo solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana am-boletra ny fandaniana ireo volavolan-dàlana miisa 3 hifehy ny fifidianana natolotry ny mpitondra HVM, tsy nasiam-panitsiana ary ny lalàna hifehy ny ZES. Nandresy indray ny herin’ny vola, hoy ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Malagasy Miara-Miainga, MAPAR, TIM ary ireo tsy miankina, izay nanisy fanitsiana sy fanatsarana ireo volavolan-dalàna ireo.