Antenimierampirenena : tafapetraka ny « commission d’enquête sur la filière or »

0

Mampametra-panontaniana hoy ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly ariva ny tsy hahafantarana ireo tena tompon’antoka amin’ny fanondranana volamena avy eto Madagasikara mankany ivelany ary ny antony tsy mbola maha voasambotra azy ireo. Io no teboka nivoatra nandritra ny fampijoroana ilay vaomiera manokana hisahana ny « Enquête sur la filière or » eto amintsika, izay ivondronan’ireo Solombavambahoaka miisa 15 avy amin’ny vondrona marosamihafa misy eny Tsimbazaza.