Antenimierandoholona : vita ny tatitry ny «Commission d’enquête sur la liste électorale»

0

Tsy mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka ny voka-pifidianana namoahana didim-pitsarana teto amin’ny firenena. Izay ny fehin’ny tatitry ny kaomisiona manokana nitarika ny fanadihadiana momba ny lisi-pifidianana teo anivon’ny Antenimierandoholona. Isany tsy fahatombonana nasongadin’ny kaomisiona anatin’ny tatitra ihany koa ny anarana karapanondro mitovy laharana maherin’ny 1 Tapitrisa nampahafantarin’ny filoha lefitry ny CENI ny volana febroary 2020.