Antoko Malagasy Miara-Miainga : mitondra ny fomba fijery vaovao eo amin’ny tontolon’ny politika

0

Nanolotra boky miisa 400 ho an’ny lasim-pikarohana momban’ny literatiora sy ny oha-pitenenana Malagasy etsy Ankadifotsy ny teo anivon’ny Antoko Malagasy miara-miainga. Ho fitondrana ny anjara biriky eo amin’ny tontolon’ny fampianarana no antony nanaovana izany. Mitondra fomba fijery vaovao eo amin’ny tontolon’ny politika eto Madagasikara ity antoko ity hoy ny sojaben’ny FLSH.