Antoko Malagasy Miara-Miainga : Tokony hajaina ny lalàna velona eto amin’ny firenena

0

Tokony hajaina ny lalàna velona eto amin’ny firenena mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana raha ny nambaran’ny filohan’ny antoko Malagasy miara miainga nandritra ny fandalovany tao amin’ny TV5 monde omaly tany Paris. Ny fialan’ny Madagasikara amin’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena no laharam-pahamehana ankehitriny raha ny fanazavany. Mbola maro anefa ny lesoka atrehana hatrany amin’ny fifidianana eto amin’ny firenena, izay tokony harahina akaiky.