Antoko Malagasy miara-miainga : tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika

0

Voatohitohina ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara ary matahotra demokrasia ny mpitondra ankehitriny hoy ny filohan’ny Antoko MMM  nandritra ny fidinany tany Ambositra androany. Ny antoko MMM izay nikasa hihaona tamin’ny vahoaka tao amin’ny Kaominina Imito, Distrikan’i Fandriana omaly saingy nosakanan’ny fanjakana.