Antoko MMM : hanolotra volavolan-dàlana eny amin’ny Antenimeram-pirenena

0

Mampiahiahy ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana, hoy ny mpitondra tenin’ny antoko Malagasy Miara-miainga, Maitre Rija Rakotomalala, indrindra taorian’ny famoahany ny didy momban’ny fanoherana farany teo. Noho izany, hanolotra volavolan-dàlana eny amin’ny antenimeram-pirenena amin’ny alalan’ireo Solombavambahoakany ny antoko.