Antoko MMM : mangataka adi-hevitra mivantana amin’ny mpitondra

0

Nandefa taratasy maneho ny fahavononany hanao adi-hevitra amin’ny mpitondra ny Antoko Malagasy Miara-Miainga amin’ny maha antoko mpanohitra azy. Adihevitra eo amin’ny antoko mpanohitra sy ny Praiminisitra, izay tokony alefa mivantana amin’ny onjam-peo sy fahitalavim-panjakana,  araka ny Lalàmpanorenana sy ny didim-panjakana mifehy ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra.