Antsalova : manjaka ny fanararaotam-pahefana ataona olom-boafidy iray

0

Olom-boafidy iray ao anatin’ny distrikan’Antsalova no voatonotonona ho manao fanararaotam-pahefana amin’ny endriny maro samihafa amin’izao fotoana izao araka ny fitarainana ataon’ireo mponina avy any an-toerana. Mampiseho ny fahalemen’ny fanjakana ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny zavatra tahaka izany hoy ny Solombavambahoaka teo aloha iray.