
Herinandro taorian’ny fiparitahan’ny resaka mikasika ny fiverenan’ny pesta eto Madagasikara, nahenoam-peo ihany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana omaly. Raha ny antontanisa voaray, nanomboka ny voalohan’ny volana Aogositra, olona 2 no matin’ny pesta hatreto.