Association des Journalistes de Tamatave : mankalaza ny faha-15 taona nijoroany

0

Natomboka omaly ny fanombohana ny fankalazana ny faha 15 taona nijoroan’ny AJT na ny Association des Journalistes de Tamatave. Nosantarina tamin’ny fambolen-kazo sy fanentanana ny olom-pirenena hisoratra sy hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisitry ny ho mpifidy ny hetsika ary notohizana tamin’ny fiaraha-mifety.