Banky iraisam-pirenena : mora andairan’ny kolikoly ny « recrutement » an’ireo mpampianatra

0

Misy lesoka goavana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ka nampihena ny vokatra tao anatin’ny 10 taona izay hoy ny Banky iraisam-pirenena nandritry ny tatitra izay nataony. Marefo ary mora andairan’ny kolikoly ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana ka miteraka voka-dratsy eo amin’ny faharisihan’ireo mpampianatra sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra Malagasy.