Banque Mondiale : hitombo ny fanohanana ara-bola ho azon’i Madagasikara

0

Hitombo ny fanampiana ara-bola ho azon’i Madagasikara avy amin’ny banky iraisam-pirenena raha ny fanambarana nataon’ny tale mpanatranteraka avy eo anivon’ny banky iraisam-pirenena, izany nihaona tamin’ny filoham-pirenena teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny maraina teo. Noresahina nadritra ny fihaonana ny fanatsarana izany mbola ho atao amin’ny fampivoarana ny firenena. Azo heverina hivoaka amin’ity taona ity ihany koa ny vola ampahany faha-2 amin’ny ilay FEC azon’i Madagascar raha ny tatitra nataon’ny solontenan’ny fitondrana malagasy eo anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena.