Bas Mangoky : tsy amidy ny tany, tsy haondrana any ivelany ny vokatra

0

Mbola tsy voafaritra mazava ny fifanarahana amin’ny orinasa vahiny miara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny tetikasa fanitarana ny toeram-pambolena any Bas Mangoky hoy ny eo anivon’ny ministera tomponandraikitra. Na izany aza, nanamafy ny fiolhan’ny repoblikan’i Madagasikara fa isika no niantso azy ireo ary tsy amidy ny tany, tsy haondrana any ivelany ny vokatra.