Bealanana – Antsohihy : tafiakatra 30 000 Ariary ny saran-dalana

0

Adiny 8 hatramin’ny adiny 10 no hamitana ny lalana mirefy 120 Km mampitohy an’i Bealanana sy Antsohihy amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatr’izay miakatra avo 2 na 3 heny ny saran-dalana. Miaina ao anatin’ny fahasahiranana araka izany ireo mponina any an-toerana noho io faharatsian’ny lalana amin’izao fotoana io.