Befandriana avaratra : Tsy manaiky ny nandorana ny tanàna ireo  mponina.  

0

Miisa 33 ankehitriny ireo olona voatazon’ny mpitandro ny filaminana taorian’ny tranga fitsaram-bahoaka nahafatesana olona 2 tao Befandriana avaratra. Anisan’ny voasambotra anatin’izany ny ben’ny tanàna sy ny lefitry ny ben’ny tanàna any an-toerana araka ny loharanom-baovao. Etsy ankilany, nanamafy ireo mponina fa tsy hanaiky ny nandoroana ny tanànan’izy ireo.