BMH : manodidina ny 50 isan’andro ny fanambarana fahafatesana voaray

0

Manodidina ny 50 isan’andro ny fanambarana fahafatesana tonga eny anivon’ny BMH nanomboka ny voalohan’ny volana jona. Raha 10 tamin’izany no voamarina fa matin’ny valan’aretina hatreto. Azo alevina ampasan-drazana ny matin’ny Covid-19 saingy misy ny fepetra takiana amin’ny fandevenana na izany ho an’ny razana na ny fianakaviana.