BNGRC : efa vonona ny fitaovana hiatrehana ny vanim-potoan’ny rivodoza

0

Efa vonona ny fitaovana hiatrehana ny loza voajanahary rehetra tahaka ny tondra-drano misy isan-
taona eto Madagasikara hoy ny teo anivon’ny BNGRC na ny birao nasionaly misahana ny loza
voajanahary androany. An’aliny isan-taona ny Malagasy voakasiky ny loza voajanahary, misy ireo rava
fanana tanteraka, anjatony ireo namoy ny ainy. Nanao tatitra mahakasika izany ny BNGRC androany.