Cannabis : voasokajy ho isan’ireo zava-mahadomelina azo hitsaboana

0

Nanapa-kevitra ny CND na ny Commission des Stupéfiants des Nations Unes fa azo itsaboana ary nesorina tamin’ireo zava-mahadomelina mampidi-doza ny Cannabis. Afaka mampiasa Cannabis sy ny menaka azo avy aminy ireo laboratoire hahafahana mamokatra fanafody, tahaka ny efa nitranga tamin’ny Morphine sy ny Opium.