CENI

0

6 andro katroka aty aorian’ny namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika vao hitany fa nisy ny fahadisoana teo amin’ny tarehi-marika navoaka. Nandefa fanitsiana ireo tarehi-marika diso ireo ho an’ny mpanao gazety izy ireo alina. Vao maika mampitombo ny ahiahy napetrak’ireo kandidà sy fiarahamonim-pirenena izany ary indrindra ny fahamatoran’ity Vaomiera Mahaleotena Misahana ny fifidianana ity.