CENI : Efa vonona ny fanomanana fifidianana amin’ny taona 2018

0

Efa vonona avokoa ny fanomanana rehetra hahafahana miatrika ny fifidianana amin’ny taona 2018. Ny daty avy amin’ny governemanta sy ny karazam-pifidianana sisa andrasana. Ireo no nambaran’ny CENI omaly maraina nandritra ny fihaonana isam-bolana eo amin’ity Vaomiera Mahaleotena mikarakara ny fifidianana ity sy ny mpanao gazety.