CENI : tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana isika

0

Tsy tokony rohitina hanemorana ny fifidianana ny tsy fahatomombanana tsikaritra nandritra ny AUDIT nataon’ny OIF teto Madagasikara hoy ny filohan’ny CENI. Azo ampiasana hanatanterahana ny fifidianana ny lisitra sy ny lalàna mifehy izany raha ny fanazavana. Nanamafy ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana ihany koa ireo mpisehatra samihafa.