Accueil Société CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

0
CEPE : nilamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana manerana ny Nosy

Nirindra araka ny tokony ho izy ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy notanterahina androany raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Voahaja amin’ny ankapobeny ny fepetra ara-pahasalmana ho an’ireo mpiadina, ary nilamina ny fandraisana azy ireo teny anivon’ireo ivon-toeram-panadinana samy hafa. Hanomboka androany kosa ny fitsarana ny fanadinana raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. 51 taona moa ny zokiny indrindra tamin’ny nanala izany tamin’ity taona ity.