Championnat de Madagascar de golf 2021: hotanterahina ny 16 hatramin’ny faha 19 Desambra izao

0

Hisokatra ny 16 Desambra ary hifarana ny 19 Desambra izao ny fanatanterahana ny fifaninana hiadiana ny ho an’ny tompondakan’i Madagasikara 2021 ho an’ny taranja Golf. Ankoatra ny fifaninana, vina ny fampandraisana anjara ity taranja ity ho isan’ny tosika entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany raha ny nambaran’ny mpikarakara.