Claudine Razaimamonjy :  Azo henjehina toy ny olon-drehetra.

0

Azo henjehina toy ny olom-pirenena rehetra fa tsy manana immunité hiaro azy manokana ny mpanolon-tsainan’ny filoham-pirenena Claudine Razaimamonjy raha ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna, ary azo atao ny mampody azy an-tanindrazana hanohizana ny fanadihadiana sy fampiharan-dalàna. Tsy manara-dalàna ny fitondrana ankehitriny raha ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana manoloana ny nahatafavoahan’i Claudine Razaimamonjy any ivelany.