Tapitra ny 45 andro fepotoana apetraky ny lalàna hahafahana mitazona an’i Claudine Razaimamonjy ao amin’ny hopitaly HJRA amin’ny mahavoafonja azy. Anjaran’ny komisiona manokana ny mandinika ny fanalavana na tsia io fe-potoana io. Hitoroka ny tsy fandraisana andraikitra kosa ny SMM raha toa ka tsy misy izay fandraisana fepetra izay.