Code de la communication

0

Nolanian’ny solombavambahoaka teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera na ny Code de la Communication izay niadian’ny mpanao gazety hatrizay. Hitondra fiovana goavana amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny fahalanian’izany indrindra fa ho an’ny fahalalahana ho an’ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany.