Coliseum : niharihary ny fitakian’ny vahoaka ny fanovana.

0

Niharihary ny fitakian’ny vahoaka fanovana nandritra ny famorian’ny HVM olona teny amin’ny Coliseum ny sabotsy teo. Na teo aza ny fitaterana sy ny fikaramana olona hanatrika izany tsy nahafeno ny Coliseum akory ny HVM izay nilaza fa haneho ny heriny.