Collectif Tany sy CRAAD – OI : maneho ny ahiahiny manoloana ny tetikasa Bas Mangoky

0

Manoloana ny fampitam-baovao navoaky ny Ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena ary ny Jono ny volana Janoary lasa teo, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Collectif Tany sy ny CRAAD-OI naneho ny ahiahin’izy ireo. Isan’ny teboka mampiahiahy azy ireo ny resaka tany sy ny fiainan’ireo mponina voakasik’izany.