Accueil Economie COMESA andiany faha 21 : notontosaina androany tany Egypte

COMESA andiany faha 21 : notontosaina androany tany Egypte

0
COMESA andiany faha 21 : notontosaina androany tany Egypte

Manana ny anjara toerany lehibe amin’ny fampivoarana ara-ekonomikan’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny COMESA ny tontolon’ny nomerika. Fampivoarana izay nosembanin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 hoy ny filoha Andry Rajoelina. Ilaina ny fanohizana ny fampiroboroboana ny sehatry ny nomerika mba hitondra vokatsoa ho an’ny toekarena amin’ny alalan’ny famatsiam-bola vaovao. Notontosaina androany tany Egypte ny fivoriana an-tampony faha 21 an’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin’ny vondrona COMESA.