Corsair : manao fanangonan-tsonia hanohizany ny sidina

0

Mitohy ny ady ataon’ny kaompania vahiny Corsair ankehitriny manoloana ny fameran’ny fanjakana malagasy azy tsy hanao ny sidina fanaony intsony. Mitaky fanohanana ny zony io kaompania vahiny io amin’ny alalan’ny fanangonan-tsonia. Ny faran’ity volana marsa ity raha ny fantatra no fotoana farany ahafahany manao sidina mampitohy an’Antananarivo sy La Réunion.