Covid-19 : 200 ny mpitsabo tsy miankina handray an-tanana ny marary eto Analamanga

0

Maherin’ny 200 ny mpitsabo tsy miankina handray an-tanana ny fitsaboana ny Covid-19 ho an’ny faritra Analamanga. Tsy tokony hivoana amin’ny fomba fitsaboana na ny Protocole de Soins napetraky ny minisiteran’ny fahasalamana ny fiasan’izy ireo, hoy ny Holafitry ny mpitsabo androany. Efa mandeha ny fitsinjarana ny fampitaovana avy amin’ny UNICEF omena ny mpitsabo tsy miankina, ao anatin’izay fitsaboana ny Covid-19 izay.