Accueil Société COVID-19 : mila mandray andraikitra ny isam-pokontany

COVID-19 : mila mandray andraikitra ny isam-pokontany

0
COVID-19 : mila mandray andraikitra ny isam-pokontany

Andro fahatelo amin’ny fihidina an-trano entina misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina covid 19 eto amintsika, saika voahaja ny fepetra amin’ny tsy fisian’ny tsena be ivorian’ny olona maro. Mbola betsaka kosa anefa ireo olona no hita mifamezivezy eny an-dalambe. Raha ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina iray nanaovana fanadihadiana, mila mandray andraikitra ny isam-pokontany manentana ny olona raha tsy tiana ny hitohizan’ny fiparitahan’ny aretina.