Covid-19 : tsy vahaolana intsony ny fidirana amin’ny fihibohana

0

Tsy vahaolana indrindra ho an’ny toekaren’I Madagasikara intsony ny mety ho fidirana indray amin’ny fihibohana. Hitombo ny tsy an’asa ary hiakatra lavitra ny vidim-piainana. Ny fanamafisana ny fampitam-baovao mba hialan’ny rehetra amin’ny tsaho manakorontana ny saina no tokony himasoan’ny fanjakana raha ny fanazavana.